15 jona — I Masimbavy Germaine dia nantsoina hoe Germaine Cousin teraka ny 1959 tao Pibrac akaikin’i Toulouse. Zanaka tantsaha izy io, Laurent Cousin sy Marie Laroche no ray aman-dreniny. Taizan’aretina hatry ny fahakeliny i Germaine ary malemy ny tanany havanana. Mbola zaza mena vava izy no maty ny reniny ka ny renikeliny no nitaiza azy.
Alahadin'ny Trinite Masina : Andriamanitra tokana fa olona telo - Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina, Andriamanitra ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy. Ny mistery dia tsy takatry ny saina sy tsy hay hazavaina hoy Masindahy Athanase : "raha Andriamanitra takatry ny sain'olombelona dia tsy Andriamanitra marina". Tamin'ny taon-jato fahatelo no nampiasana ny teny hoe "Trinité" voalohany, izay fitambaranà teny roa "Tri" sy "Unité", izany hoe telo anefa iray. Voalaza ao amin'ny Soratra Masina, ny maha tokana anefa olona telo an'Andriamanitra, na ao amin'ny Testamenta Taloha na Testamenta Vaovao...
Alahady manaraka ny Trinite Masina – Taona D : Fankalazàna ny vatana aman-dra masin’i Kristy ; sorom-pihavanana sy sakafo mampiray ny Eokaristia. Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra, hoy ny Tompo, izay mihinana amin’ity Mofo ity dia ho velona mandrakizay. Isaky ny mankalaza ny Eokaristia isika dia mitsaoka ny vantana aman-dran'i Jesoa Kristy, izay faratampony sy ivon'ny fiainan'ny Kristianina ; manambara ihany koa fa tsy Andriamanitra lavitra izy fa Andriamanitra miara-dalàna amin'ny olombelona mino Azy. Ny "procession" dia fanomezam-boninahitra ny Vantana aman-dran'i Kristy...
14 jona — Anarana fanta-daza ao amin’ny Baiboly ny hoe Elisée na Elisea arakaraka ny dikan-teny izay misy eo amintsika raha mamaky ny Bokin’ny Mpanjaka isika. Zanak’i Safata mpaminanin’ny lalàna, mpianatra sady mpandimby an’i Elie mpaminany.
• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco