Simeona dia zokiolona marina sady mpivavaka niandry ny fanafahana an'i Israely, izay nihaona tamin' i Jesoa teo an-tokontanin'ny Tempoly, nanome voninahitra ary nidera an'Andrimanitra noho ny nahitany ny asa-pamonjena. Sarobidy ny feon'ny zokiolona izay azo lazaina ho "tso-drano", tahaka izay nataon'i Simeona tamin'i Jesoa sy ireo ray aman-dreniny. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien.
23 janoary 2024 — Talata, Herinandro Tsotra Fahatelo Mandavantaona — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 3, 31-35)
Fanomezan'Andriamanitra ny fahanterana. Valim-babena ny fanajana ny ray aman-dreny zokiolona. Reharehan'ny fianakaviana ny manana zokiolona ary mampisy fanantenana ny taranany. Ny zokiolona dia manana ny kilemany, mety ho ratsy fitondran-tena fa rehefa mananatra izy dia manabe, mikendry ny soa hatrany. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien.
22 janoary 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahatelo Mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 3, 22-30)
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco