7 desambra 2023 — Alakamisy, Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Indro ho avy ny Tompo hanavotra ny vahoakany; sambatra izay vonona hitsena Azy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 7, 21. 24-27)
Ny hafatry ny Eveka tamin'ny 27 jolay 1980 dia nanasongadinany ny fanjakan'ny baranahiny vokatry ny tsy fanajana ny zon'olombelona sy ny fitsipahana ny soatoavina ara-panahy. Hoy ny kardinaly : ny antson'Andriamanitra manokana ho an'ny lahika dia ny manabe voa ny Fanjakan'Andriamanitra eo amin'ny fandraharahana ny zavatr'izao tontolo izao ho araka an'Andriamanitra. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
6 desambra 2023 — Alarobia, Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Tongava, ry Tompo, ary aza ela; vahao ny fatoran’ny vahoakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 15, 29-37)
Ny famporisihana ny lahika hikatroka amin'ny politika dia nisongadina tao amin'ireo hafatra an-taratasy avy amin'ireo Eveka. Ohatra : 26 marsa 1972 "Ny Eglizy sy ny fivoarana eto Madagasikara" izay mandrisika ny lahika hiaro sy hampitombo hatrany ny soa iombonana sy ho fampivoarana ny tanindrazana. 2 desambra 1973 : "Ny Eglizy sy ny raharaham-pirenena" izay manazava ny anjara andraikitry ny Eveka mikasika ny politikam-pirenena. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco