5 desambra 2023 — Talata, Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Avia, ry Tompo, vangio am-piadanana izahay mba hifalianay amin’ny fo lavorary — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 10, 21-24)

Hevitra roa no azo handravonana ireo taratasin'ireo Evekan'i Madagasikara ny mikasika ny fifandraisan'ny Fanjakàna sy ny Eglizy katôlika teto amin'ny nosy. Voalohany, ireo taratasy mamporisika ny lahika katôlika hikatroka amin'ny politika indrindra tao aorian'ny 1972. Ny faharoa, mampitandrina sao misy fahadisoan-kevitra satria tsy natao hanohanana firehan-kevitra politika ny fivavahana... Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison. 

4 desambra 2023 — Alatsinainy, Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Ny Tompo no mpitsara antsika, ny Tompo no Mpanjakantsika. Izy no hamonjy antsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 8, 5-11

Azo lazaina fa tsy ho afaka manatanteraka ny maha-izy azy ny tenany ny Eglizy raha tsy manana ireto fahafahana ieto : ny fahafahana maneho hevitra, mampianatra, mitory ny Vaovao Mahafaly, ny fahafahana manao fanompoam-pivavahana am-pahibemaso, ny fahafahana mampijoro rafitra ary manana fitsipi-pifehezana anaty ; ny fahafahana misafidy, manofana, manendry, manorina Eglizy... Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison. 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...