Ny soa iombonana dia iray tsy mivaky. Toe-tsaina tokony ho fongorantsika hatramin'ny fakany ny fitiavan-tena, ny tsy fahaizana mizara ny soa amin'ny hafa. Endriky ny tsy fahavononana hikatsaka ny soa iombonana io fitiavan-tena io. Samy nomen'Andriamanitra talenta avokoa ny isam-batan'olona, talenta tsy natao ho tehirizina fotsiny fa natao ho zaraina amin'ny hafa. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
19 ôktôbra 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahavalo amby roapolo Mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 47-54)
Tsy azo zarazaraina ny soa iombonana : raha samy maka ho azy dia mivoana amin'ny maha soa iombonana azy. Sady an'ny besinimaro no an'ny tsirairay, an'isam-btan'olona ny soa iombonana. Tsy ho tratran'ny olona iray fotsiny ny fahatanterahan'ny soa iombonana fa tsy maintsy iaraha-mientan'ny rehetra. Amporisihan'ny Eglizy katôlika ny fiombonan'ezaka ho fitandrovana ny soa iombonana. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
18 ôktôbra 2023 — Masindahy Lioka, Evanjelista — Fankalazana — Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao mba handehananareo sy hahavokaranareo ary hampaharitra ny vokatrareo, hoy ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 10, 1-9)
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco