10 ôktôbra 2023 — Talata, Herinandro Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 10, 38-42)

Ambaran'ny Konsily Vatikana-II, ao amin'ny Fotom-pampianarana ara-pitondrana : "Ny fiangonana manoloana ny andro ankehitriny (Gaudium et Spes)" (FAA 74) fa ny filaminana ara-pitondran-tena ikatsahana ny soa iombonana no isehoan'ny fahefan'ny Fanjakàna, na eo amin'ny fiainam-bahoaka na eo amin'ny sampan-draharaha misolo ny Fanjakàna. Soa iombonana no natao hampiroborobo ny fiainam-bahoaka. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo. 

9 ôktôbra 2023 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — Izay mitandrina ny didin’i Kristy, no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 10, 25-37)

Ny Papa François dia manentena sy mitondra am-bavaka ny olombelona rehetra mba hiaina anaty ny fandriampahalemana sy hanaja ny tontolo iainana. Ny tontolo iainana lehibe indrindra dia ny fahaizana mpiara-belona mihavana amin'ny tenany sy ny manodidina azy ary ny fahaizana mikolokolo ny fihavanana. Ao anaty ny fiombonana no misy ny tena fiadanana, ary ao anatin'ny fiadanana no misy ny filaminana tanteraka.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...