Fangorahana sy famindram-po, toe-tsaina ilàna fizàrana na fahazarana. Tsy hoe fihetseham-po mandeha ho azy ny mangoraka sy ny mamindra fo fa toetra volena mba hanahafana an’Andriamanitra mangoraka ny vahoakany sy mangoraka azy amin’ny halemeny. Tsy hisy hahatsapa ho tena sambatra raha mbola misy ny mijaly. Katesizy momba ny fiaraha-monina, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
12 aprily 2023 — Alarobia amin'ny Havaloan'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 24, 13-35)
Ny Fangorahana, lalan’ny sinody, araka ny voalazan’i Jesoa ao amin’ny Joany 12, 8 dia : "hisy mandrakariva ny mahantra" eo anivon’ny fiaraha-monina misy antsika. Matetika ny fiheverana ny fahantràna dia miainga amin’ny lafiny ara-materialy ihany, tsy fananam-bola, tsy fisian’ny hanin-ko hanina, mitafy voron-kitsay, trano tsizarizary. Ny fahantràna ara-tsaina ihany koa dia efa fahantràna, fa indrindra ny ara-panahy. Katesizy momba ny fiaraha-monina, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
11 aprily 2023 — Talata amin'ny Havaloan'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 20, 11-18)
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco