Sabotsy 7 janoary 2023 — Mialoha ny Nisehoan'ny Tompo — Andro masina no manazava antsika: tongava, ry firenena, ary avia hitsaoka ny Tompo; satria midina ety ambonin’ny tany androany ny hazavana lehibe — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 2, 1-12
Sarotra ny fampitana ny finoana amin'ny tanora ao an-tokantrano noho ireto antony ireto : mafy ny tosika etin'ny teknôlôjia, miakatra ny vidim-piainana, tsy miaina loatra ny finoana ny olona fa mihefitra izany ho fialamboly. Tsy afaka ny hilaza isika fa tsy mila ny fandrosoana , indrindra ny teknôlôjia, satria azo lazaina fa efa tara be isika eto Madagasikara mihoatra amin'ny firenena hafa. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny Sakramentan'ny Batemy, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.
Zoma 6 janoary 2023 — Mialoha ny Nisehoan'ny Tompo — Ary ny Teny dia tonga nofo, ka nonina taty amintsika. Izay rehetra nandray Azy dia nomeny fahazoana ho tonga Zanak’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 6b-11
Ny fanirian’ny Fiangonana dia ny hahombiazan’ny finoana ao amin’ny tsirairay amin’ny alalan’ny ezaka ataony sy fanohizana ny zavatra nataon’i Jesoa teto an-tany tamin’ny fitoriana ny Evanjely sy ny fampitana izany tamin’ny Apostoly sy ny mpandimby azy. Fiangonana kely ao an-trano ny fianakaviana. Fanomezana avy amin’Andriamanitra ho an'ny olombelona ny finoana, indrindra ho an’ny mpino. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny Sakramentan'ny Batemy, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco