Mafy ny fifanatrehana sy ny sedra manoloana ny fandrosoana ara-teknolojia, hany ka mahasarotra ny fiarovana ny aina ihany koa izany. Ny asa fahariana dia mifototra amin'ny tso-drano avy amin'Andriamanitra. Ny fiombonan'aina eo amin'ny mpivady dia mahatonga azy ireo ho tompon'andraikitra. Katesizy momba ny fanajana ny aina, hiarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Alarobia 1 jona 2022 — Herinandro fahafito fankalazana ny Paka — Ny Fanahy Masina no hampianatra anareo ny zavatra rehetra, hoy ny Tompo, sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 17, 11b-19
Ny firaisam-batan'ny mpivady dia tsy biolojika fotsiny fa misy lafiny ara-panahy. Ireo nahazo ny tso-drano avy amin'Andriamanitra no manana adidy sy andraikitra hanohy ny asa fahariana. Manana ny andraikitra feno ny rehetra amin'ny fitandrovana ny aina : ny olona tsirairay, ny vaomieran'asa... Hoy Jesoa manoloana ny fanalan-jaza: izay ataonareo amin'ireny madinika ireny dia amiko no anaovanareo azy. Katesizy momba ny fanajana ny aina, hiarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Talata 31 mey 2022 — Famangian'i Masina Maria — Sambatra ianao, ry Maria Virjiny satria nino fa ho tanteraka izay nampilazain'ny Tompo taminao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 39-56
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco