Alatsinainy 30 mey 2022 — Herinandro fahafito fankalazana ny Paka — Mandehana, mampianara ny firenena rehetra. Indro Aho eo aminareo ambara-pahatapitr’izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 16, 29-33
Ny aina dia marefo satria toy ny : entona. Ny olona dia tahaka ny zava-poana, ny androny dia tahaka ny aloka mihelina. Misy ny fomba fiteny malagasy fa ny aina dia tsy hananam-piry na tena tsinontsinona mihitsy aza. Katesizy momba ny fanajana ny aina, hiarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Alahady 29 mey 2022 — Alahady fahafito fankalazana ny Paka — Tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo: handeha Aho ary ho avy eo aminareo indray, ka ho faly ny fonareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 17, 20-26
Fahefana nomen'Andriamanitra ireo mandray ny tso-dranony ny fanohizana ny asa fahariana ny aina. Na dia mafy aza ny mety ho diavin'ny olona eto amin'ity tany ity dia ataony izay fomba rehetra hitandrovana ny aina. Katesizy momba ny fanajana ny aina, hiarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco