Ny fiangonana dia misehatra amin'ny lafiny serasera, amin'ny alalan'ny gazety, boky, sy ny onjam-peo, ary fitaovana ireny hanohizana ny fanabeazana. Ny fiangonana dia miezaka mampiasa ireo fitaovana misy mba hampielezana ny finoana sy ho fampandrosoana ny firenena ary ny maha-olona. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

Talata 26 aprily 2022 — Herinandro faharoa fankalazana ny Paka — Raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra no katsaho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 3, 7b-15

Ny fiangonana dia manabe ny olona mba hikajy ny tontolo iainana amin'ny alalan'ny fanentanana hamboly hazo sy hanena ny fanapariahana loto amin'ny rivotra. Ny fiangonana dia miahy ny vahoaka nankinina taminy, amin'ny alalan'ireo tolo-draharaha toy ny fitsaboana, ny fitaizana ireo zaza kamboty sy ny sembana. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

Alatsinainy 25 aprily 2022 — Masindahy Marka, Evanjelista — Izahay kosa mitory an’i Kristy voafantsika; i Kristy herin’Andriamanitra sy fahendren’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 16, 15-20

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...