Ny fiangonana dia manana tanjona ho fampivoarana amin'ny alalan'ny fanabeazana sy fanofanana. Ny Sekoly katôlika dia misandrahaka amin'ny faritra maro eto amin'ny firenena. Ny fiofanana atolotry ny fiangonana dia mahasahana seham-pihariana maro toy ny asa-tanana, ny fambolena ary ny fiompiana. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Alahady 24 aprily 2022 — Alahady faharoa fankalazana ny Paka. Alahadin'ny Famindram-pon'Andriamanitra — Nitsangana teo afovoan’ny mpianany i Jesoa ka nanao hoe: "Ho aminareo anie ny fiadanana! Sambatra izay tsy nahita ka mino!" — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 20, 19-31
Ny fiangonana dia manana anjara amin'ny fampatsiahivana sy ny tari-dalana ary manome ohatra amin'ny fanabeazana. Ny fiangonana dia manana adidy amin'ny fanabeazana sy fanofanana mba hampivoarana ny maha-olona, ary miara misalahy amin'ny fanjakana amin'izany adidy masina izany. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Sabotsy 23 aprily 2022 — Sabotsy amin'ny havaloanandron'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 16, 9-15
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco