Alarobia 16 marsa 2022 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Ny Teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 20, 17-28
Mioty ny vokatra isika rehefa tsy kivy. Ampahatsiahivin'ny karemy antsika isan-taona fa "tahaka ny fitiavana ihany, ny tsara, ny rariny sy ny hitsiny ary ny firaisan-kina dia tsy mba azo indray maka dia vitan'izay, fa tolona ilofosana isan'andro vaky no hananana azy. (Ibid. n°11). Katesizy momba ny fanaovan-tsoa, iarahana amin'i P. Fenohasina Dorysse.
Talata 15 marsa 2022 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Na ankehitriny aza anefa, hoy ny Tompo, miverena amiko amin’ny fonareo rehetra, fa mamindra fo sy miantra aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 23, 1-12
Aza sasatra manao ny tsara amin'ny namantsika amin'ny asa fitiava-namana azo tsapain-tanana. Mandritra ity karemy ity, manaova asa fiantrana amin-kafaliana. Andriamanitra izay "manome ny mpamafy ny voa hafafy sy ny hanin-kohaniny, dia miahy antsika tsirairay, tsy hoe mba hanan-kohanina fotsiny fa mba hahafahantsika maneho fa malala-tanana isika. Katesizy momba ny fanaovan-tsoa, iarahana amin'i P. Fenohasina Dorysse.
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco