Zoma 15 aprily 2022 — Zoma Masina. Ny fijalian'i Jesoa Kristy Tompontsika — Nanolo-tena hanaiky hatramin’ny fahafatesana ho antsika i Kristy, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy, ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 18, 1 — 19, 42
Mamolavola toromarika ara-politika ny fiangonana. Voizin'ny fiangonana ny hasin'ny maha-olona, ny soa iombonana. Ny fifanampiana tsy misalovana andraikitra, zava-dehibe ny soa iombonana izany hoe ho an'ny daholobe ny harena. Mila ezaka miaraka ny soa iombonana ary eo no hisehoan'ny firaisan-kina. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Alakamisy 14 aprily 2022 — Alakamisy Masina. Fahatsiarovana ny Fanasan'ny Tompo — Didy vaovao no omeko anareo, hoy ny Tompo, dia izao: Mifankatiava ianareo, ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 13, 1-15
Kristy tsy manilika fa ny olona no manava-tena. Ao amin'i Jesoa Kristy irery ihany no misy antoka ho amin'ny fahafaham-po. Apetraho ho loha-laharana amin'ny zavatra rehetra Andriamanitra, katsaho aloha ny fanjakany dia hanampy anao izy. Ialao ny fialonana sy ny fitsiriritana fa meteza halala-tanana. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco