Zoma 11 febroary 2022 — Herinandro fahadimy mandavantaona — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 7, 31-37

Antsoina hiombona ao anatin'ny fiangonana isika. Antsoin'Andriamanitra hiaina ao anatin'ny fiangonana isika ary  handray anjara mavitrika amin'ny asa fitoriana. Noho izany dia fiombonan'ireo nantsoin'Andriamanitra ny fiangonana. Katesizy momba ny fitoriana ny vaovao mahafaly, iarahana amin'i P. Hermann Solofonjanahary.

Alakamisy 10 febroary 2022 — Herinandro fahadimy mandavantaona — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 7, 24-30

Antsoin'Andriamanitra avokoa isika olombelona rehetra. Antsoiny hiaina araka ny fandaharany isika, antsoiny hiaina araka ny sitrapony. Antsoiny hitovy amin'i Jesoa Kristy isika, izy no modelin'olombelona araka ny sitrapon'Andriamanitra Ray, ka antsoina isika hiombon'aina aminy. Katesizy momba ny fitoriana ny vaovao mahafaly, iarahana amin'i P. Hermann Solofonjanahary.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...