Anisan’ny ezaka lehibe iray izay ilofosantsika ny vavaka mandritra izao karemy izao. I Jesoa zokintsika mihitsy aza no mampirisika antsika hivavaka ary hanana faharetana sy fitokisana tanteraka fa hivaly ny vavaka ataontsika. Ezaka tsy maintsy atao ny hananana toe-po vonona hiasa sy mandray andraikitra. Fandinihina masina iarahana amin'i P. Aimé Olivier Mahatsangandrainy,Sdb

Alakamisy 10 marsa 2022 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho; satria hatsaram-po no ao amin’ny Tompo, ary fanavotana lehibe — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 7, 7-12

Ny zava-misy dia tsy hioty afa-tsy ampahany kely amin'ny vokatr'izay hafafintsika isika, araka ny ohabolana ao amin'ny Evanjely hoe : "hafa ny mamafy, hafa no mijinja" (Jo 4, 37). Fa eo am-pamafazana ny soa ho an'ny hafa no handraisantsika anjara amin'ny halemem-panahin'Andriamanitra. Katesizy momba ny fanaovan-tsoa, iarahana amin'i P. Fenohasina Dorysse.

Tohizantsika hatrany izao fandinihana sy fibanjinana masina ataotsika izao ka androany indray isika dia hifampizara ny hoe: “toe-po sy toe-panahin’ny olona mivavaka”. Fandinihina masina iarahana amin'i P. Aimé Olivier Mahatsangindrainy, Sdb

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...