Talata 11 janoary 2022 — Herinandro voalohany mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 21-28
Solon-tenan'Andriamanitra sady solon-tenan'ny fikambanana ary solon-tenan'ny Eglizy ny lehibem-pikambanana hekena. Satria mety ho diso ihany ny lehibe eo amin'ny baiko omeny fa tsy ho diso kosa ny mpikambana manaiky ny baiko, raha atao araka ny lalàm-panorenana izany rehetra izany. Katesizy momba ny fanekena, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier.
Alatsinainy 10 janoary 2022 — Herinandro voalohany mandavantaona — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 14-20
Ny Lalam-panorenana no mandrafitrany toe-piainan'ny mpikambana tsirairay. Tokana ny lalam-panorenana, izay iainana sy halalinina ao amin'ny "novisia". Katesizy momba ny fanekena, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier.
• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco