Alahady 9 janoary 2022 — Ny Batemin'ny Tompo — Nisokatra ny lanitra, ary hoy ny feon'Andriamanitra Ray hoe : Ity no Zanako malalako indrindra, henoy Izy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 3, 15-16. 21-22
Raha vao voatendry ny lehibem-pikambanan'ny relijiozy iray dia tsy tokony hampiasa ny fahefana, izay omena azy, araka izay tiany hatao, fa ampiasainy ho fitaovana hanatanterahana ny sitrapon'Andriamanitra izany. Ny torolalana harahina dia mifototra amin'ny Lalam-panorenan'ny fikambanana, ny fanomezam-pahasoavana ary ny fivoriam-be. Katesizy momba ny fanekena, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier.
Sabotsy 8 janoary 2022 — Herinandro manaraka ny Epifania — Ny olona nitoetra tao amin’ny maizina, dia nahita fahazavana lehibe; ary ireo izay nitoetra tao amin’ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan’ny mazava — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 3, 22-30
Nihanalefaka ny fifandraisan'ny fitondrana kolonialy sy ny misionera, teto Madagasikara, nanomboka 11 mars 1913, tamin'ny fitondran'i Albert Picquié. Zary lasa ivon-toerana iaingan'ny fampandrosoana ny fonenan'ireo misionera. Navoitry ny Eveka tamin'ny Kongresy Eokaristika ny 18-28 janoary 1934 ny fitiavan-tanindrazana.
• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco