Sarotra ary mila finiavana ny fanehoana harem-panahy ankehitriny noho ny rivom-pandrosoana. Mifaninana loatra izao tontolo izao, misarika ny olona hanadino ny fanahy anefa ireny rehetra ireny. Katesizy momba ny fanehoana harem-panahy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Talata 19 oktobra 2021 — Herinandro fahasivy amby roapolo mandavantaona — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 12, 35-38

Alatsinainy 18 oktobra 2021 — Masindahy Lioka, evanjelista — Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao mba handehananareo sy hahavokaranareo ary hampaharitra ny vokatrareo, hoy ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Lioka 10, 1-9

Tsapa araka itsy voalaza tetsy aloha, fa miharatsy ny tontolo, fomba fiaina sy ny fisainana. Mibahan-toerana kokoa ny tontolon'ny fahafinarehana. Tsy resy lahatra intsony ny olona rehefa misy fanentanana raha tsy mahita fafinaretana aloha vao ny mahasoa. Katesizy momba ny fanehoana harem-panahy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...