Fotoam-pahasoavana ny Sinaody, hoy i Mgr Benjamin Marc Ramaroson, Arsevekan’Antsiranana, ka manentana ny rehetra tsy ankanavaka izy mba handray anjara amin’ny fanomanana ny sinaodan’ny eveka hofaranana amin’ny oktobra 2023.

Ny fanjakan'Andriamanitra dia tahaka ny rakitra any  an-tsaha, izay voalaza ao amin'i Md Matio 13. Tsy lo ny harena ara-panahy dia ny " finoana an'i Jesoa Kristy". Katesizy momba ny fanehoana ny harem-panahy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Zoma 15 oktobra 2021 — Herinandro fahavalo amby roapolo mandavantaona — Mamirapiratra tahaka ny fahazavana amin’izao tontolo izao ianao, satria mitana ny tenin’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 12, 1-7

Antso ny maha pretra na relijiozy, ilana fahaizana mihaino izany indrindra rehefa misy famantarana. Manantona ny pretra tompom-paritany no dingana akaiky indrindra avy eo misafidy ny fikambanana mba hahafahana manamasin-tena. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...