Talata 14 septambra 2021 — Ny nanandratana ny Hazofijaliana — Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Kristy, satria tamin’ny Hazofijaliana no nanavotanao izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 3, 13-17

Andriamanitra dia miditra amin'ny tantaran'ny olombelona rehefa misy olana mba hanafaka. Hamantarana ny antso dia mila mahafantatra an'Andriamanitra isika ; ohatra : i Md Piera, nanaraka am-pinoana an'i Jesoa Kristy, na mbola tsy nino aza izy. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Alatsinainy 13 septambra 2021 — Herinandro fahefatra amby roapolo mandavantaona — Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 7, 1-10

Vavaka hanentanan'ny fiangonana hatao tsy tapaka ny vavaka raozery. Vavaka fanajàna an'i Masina Maria izy io kanefa kosa mamintina ny Evanjely manontolo hifantohana bebe kokoa amin'i Jesoa Kristy zanany. Hiomanantsika amin'ny vola'ny raozery ny volana Oktobra ho avy izao...

[Miara-dàlana] Zoma 22 aogositra 2025

• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...