Mba hazava sy ho azon'ny tsirairay ny atao hoe "soa iombonana" dia mila miditra ao anatin'ny fikambanana izy. Ao anatin'ny fikambanana no mianatra ny atao hoe : "soa iombonana" ary anisan'ny tarigetra maha fikambanana azy ihany koa ny fikatsahana ny soa iombonana. Tsy maintsy hampifandraisina amin'ny soa iombonana ny soa ho an'ny tsirairay. Katesizy momba ny firotsahana amin'ny fikambanana hikatsahana ny soa iombonanan, iarahana amin'i P. Ranaivozanany Tina Jeannot.

Sabotsy 14 aogositra 2021 — Herinandro fahasivy ambin'ny folo mandavantaona — Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 19, 13-15

Sitrak'Andramanitra ny fifampiankinan'ny zavaboary. Ny masoandro, ny volana, ny sedera sy ny voninkazo, ny voromahery sy ny fody : ny fahitana ny hamaroan'ny karazana sy ny tsy fitovian'izy ireo no midika fa tsy misy zavaboary na iray aza mahavita tena. Manana anjara toerana sy adidy manoloana ny hafa ny olombelona tsirairay. Katesizy momba ny firotsahana amin'ny fikambanana hikatsahana ny soa iombonana, iarahana amin'i P. Ranaivozanany Tina Jeannot.

Zoma 13 aogositra 2021 — Herinandro fahasivy ambin'ny folo mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao ary tariho ho amin’ny fahamarinana aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 19, 3-12

[Miara-dàlana] Zoma 22 aogositra 2025

• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...