Ny herisetra atao amin'ny zavaboary dia herisetra manohitra ny olombelona ary fahotana manohitra an'Andriamanitra, noho izany, misy fomba fandinika sy fandraisana ny zavatra rehetra tokony hanaja ny nandaharan'Andriamanitra azy ireny tsirairay. Katesizy momba ny firotsahana amin'ny fikambanana hikatsahana ny soa iombonana, iarahana amin'I P. Ranaivozanany Tine Jeannot.
Alakamisy 12 aogositra 2021 — Herinandro fahasivy ambin'ny folo mandavantaona — Izay mitandrina ny didin’i Kristy no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 18, 21 — 19, 1
Teny roa no atambatra ny hoe " soa iombonana", maneho zavatra tsara azon'ny rehetra andraisana anjara na ampiasaina ary natao ho an'ny rehetra. Ohatra : ny arabe, ny rivotra madio, ny sekoly, ny trano fiangonana, ny hôpitaly. Hoy ny Pape Ray Masina : ny soa iombonana dia ireo noharin'Andiamanitra ka nankininy tamin'ny olombelona. Katesizy momba ny firotsahana amin'ny fikambanana hikatsahana ny soa iombonana, iarahana amin'i P. Ranaivozanany Tina Jeannot.
Alarobia 11 aogositra 2021 — Herinandro fahasivy ambin'ny folo mandavantaona — Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 18, 15-20
• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco