Fanamby ho an'ny taranak'olombelona manontolo ny fitandrovana sy ny fanajàna ary fikatsahana ny soa iombonana ary adidy iaraha-misalahy sy ilàna fahasahiana. Ny Papa Ray Masina dia manentana izao tontolo izao amin'ny fitandrovana sy fitahirizana ny soa iombonana, indrindra manoloana ny fiovana misy amin'izao. Katesizy momba ny firotsahana amin'ny fikambanana hikatsahana ny soa iombonana, iarahana amin'i P. Ranaivozanany Tina Jeannot.
Talata 10 aogositra 2021 — Herinandro fahasivy ambin'ny folo mandavantaona — Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo, izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 12, 24-26
Tsy zaza na ankizy intsony ny tanora fa efa manomboka mandray andraikitra maro isan-karazany, ka mirotsaka miaraka amin'ireo olon-dehibe amin'ny fampandrosoana. Ny fahaiza-manao hananan'ny tanora dia tokony koloana tsara, tsy mety anefa ny mandeha irery fa ilaina hatrany ny mifanampy sy mifanohana na amin'ny samy tanora na amin'ny sokajin'olon-kafa. Katesizy momba ny fikoloana ny fahaiza-manao, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Alatsinainy 9 aogositra 2021 — Herinandro fahasivy ambin'ny folo mandavantaona — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 17, 22-27
• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco