Alahady 01 aogositra 2021 — Alahady fahavalo ambin'ny folo mandavantaona — Raha misy tia Ahy dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko, ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 24-35
Amin'izao firimorimon'ny fandrosoana sy andron'ny fanatontoloana ary ny tontolo nokmerika izao, dia tsy diso anjara ny tanora, fa hainy ny mifehy ny fitaovam-pifandraisana ka ny zokinjokiny indray no tara sy tsy maharaka matetika. Tena iainan'ny tanora ireo rehetra ireo, ary mamaritra ny tontolo'ny fifandraisana amin'izy samy tanora sy ny fivelarany ara-pahalalana. Katesizy momba ny fikoloana ny fahaiza-manao, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Sabotsy 31 jolay 2021 — Herinandro fahafito ambin'ny folo mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalànao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 14, 1-12
Ny Vaovao mahafalin'i Jesoa ihany no torian'ny fisehoan'i Masina Maria tao La Salette. Raha mibebaka amin'ny fontsika manontolo isika, dia hamindra fo amintsika maimaim-poana Andriamanitra, mamaly vavaka antsika izy ary mandray ny ain'Andriamanitra isika.
• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco