Ny hoe mibanjina dia mijery, mahita amin'ny maso-panahy, misy tantara banjinina, izay mazàna dia tantaran'i Jesoa ao amin'ny Vaovao Mahafaly. Ny fomba fivavahana no manampy amin'ny fanakarana sy fifantohana amin'ny vavaka izay atao. Ny fibanjinana dia tokony hisy fanomanana tenin'Andriamanitra, vavaka fiomanana, fanomanana toerana ary vavaka fangatahana. Katesizy momba ny vavaka fibanjinana, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.
I Masimbavy Tatiana de Rome na i Tatienne no tsaroana ny 12 janoary. Niaina tamin'ny taonjato faha-3 i Tatiana na i Tatienne. Consul romain ny rainy, tsara tarehy tokoa i Tatiana. Niara-nivavaka tamin'ireo mahantra izy na dia nanana sy zanaka manam-boninahitra aza.
Manasitrana antsika ny vavaka tahaka an'i Bartime sy ireo marary maro hafa sitrana. Ny fandinihana kristianina dia mitondra antsika amin'ny resadresaka amin'i Jesoa. Ny fandinihana dia firosoana hihaonana amin'Andriamanitra. Maro no nilaza fa asan'ny fo ary famolavolana ny fo ny vavaka. Ny fandinihana dia maka andalan-tSoratra Masina iray ho entina mandini-tena, hakana voka-tsoa ara-panahy. Katesizy momba ny fandinihana masina, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.
Alahady fankalazana ny Batemin’i Kristy : i Jesoa natao Batemy ; tandindon’ny batemintsika. Nisokatra ny lanitra, ary hoy ny feon'Andriamanitra Ray hoe: "Ity no Zanako malalako indrindra, henoy Izy." Ny Batemin'ny Tompo dia azo lazaina fa mbola fisehoan'ny Tompo ihany koa, maneho ny fiatombohan'ny fiainan'ny Tompo amin'ny fiaraha-monina manodidina Azy ; mifarana eto ihany koa ny fankalazana ny Noely, nankalazana an'i Jesoa zazakely. Ny Batemy nataon'i Joany dia amin'ny rano fa ny an'i Kristy dia amin'ny Fanahy Masina sy ny afo. Ohatra ho antsika i Joany amin'ny asa fitoriana, nanomana ny fon'ny vahoaka handray an'i Kristy, toy izany ihany koa ny asa miandry antsika Kristianina...
Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco