1 marsa 2025 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahafito Mandavantaona — Misaotra Anao Aho, ry Raiko Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 13-16)
28 febroary — Zanak'olona fanta-daza tamin'ny fahamendrehana i Romain sy Lupicin. Mpirahalahy iray tampo izy ireo ary teraka tamin'ny faraparan'ny taonjato fahefatra.
Ny fanavakavahana, ny fitsitokotokoana, ny fisaratsarahana dia fositra manimba ny firaisan'ny Kristianina. Ny maha kristianina dia tsy mijanona amin'ny tena samirery fa mifandray sy miombona amin'ny samy Kristianina "dimension ecclésiale" fa eo koa ny fiombonana maneran-tany "Eglise universelle". Ny tena fiombonana dia tsy isika anatiny fotsiny ihany... Katesizy momba ny vavaka ho an'ny firaisan'ny Kristianina, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
28 febroary 2025 — Zoma, Herinandro Tsotra fahafito Mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 1-12)
• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco