6 nôvambra 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra faharaika amby telopolo Mandavantaona — Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 14, 25-33)

Fanandratana ny fahany ho amin'Andriamanitra na fangatahana Aminy ny soa sy ny tsara, ny vavaka. Mivavaka ny olona manontolo amin'ny alalan'ny fihetsika na teny fa eo koa ny fanahy na ny saina fa matetika indrindra ny fo. Ny vavaka kristianina dia fifandraisam-pifanekena eo amin'Andriamanitra sy ny olombelona ao amin'i Kristy. Asan'ny Trinite Masina ny vavaka... Katesizy momba ny "mivavaka amin'ny fiainana andavanandro", iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.

5 nôvambra 2024 — Talata, Herinandro Tsotra faharaika amby telopolo Mandavantaona — Hitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy; isaory Andriamanitra Ray amin’ny alalan’i Kristy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 14, 15-24)

Rehefa amin'ny famaranana ny fankalazana ny Eokaristia "Lamesa" dia ilazàna isika hoe "Hitantana ny diantsika anie i Kristy" izany hoe aoka hialoha lalana amin'izay ataontsika rehetra, amin'ny fiainantsika i Kristy ka mitohy amin'ny fiainana na koa hoentina amin'ny fiainana andavanandro izay natrehana teo, ka entina mody izay azontsika. Ny vavaka dia fifampiresahana amin'Andriamanitra, resaka ifanaovan'ny mpifankatia : olombelona sy Andriamanitra... Katesizy momba ny "mivavaka amin'ny fiainana andavanandro", iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...