13 nôvambra 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra faharoa amby telopolo Mandavantaona— Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema, Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 11-19)
Ny vavaka maharitra araka ny Baiboly dia azo faritana ho vavaka mitohy sy maharitra, izay tsy mihozongozona na eo aza ny zava-tsarotra. Ny vavaka maharitra dia fampiharana ny finoana izay ahitana fifikirana tsy tapaka, fitokiana an'Andriamanitra, ary fahatapahan-kevitra hanohy hivavaka.... Katesizy momba ny vavaka maharitra, iarahana amin'i P. Ratinarivony Laurent.
12 nôvambra 2024 — Talata, Herinandro Tsotra faharoa amby telopolo Mandavantaona— Ny Ran’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 7-10)
Ny vavaka dia ilaina amin'ny fiainana ara-panahy satria tsy misy fitomboana raha tsy misy sakafo, ary ny vavaka no sakafo tena ilaina amin'ny fiainana ara-panahy. Tsy fononteny eo amin'ny fiainantsika andavanandro ny vavaka fa tokony ho fototra iorenany ka izay no tsy maintsy haharitra, manaraka ny toro-hevitr'i Jesoa hoe : mivavaha ka aza mitsahatra. Mba hivavahana tsara dia fepetra fototra ny fanetren-tena... Katesizy momba ny vavaka maharitra, iarahana amin'i P. Ratinarivony Laurent.
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco