20 septambra 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra fahefatra amby roapolo Mandavantaona — Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 8, 1-3)

Rehefa mivavaka isika, dia mifanaraka amin’ny famindrampon’Andriamanitra: famindram-po ho an’izay rehetra nangataka hivavaka ho azy, izay tiantsika hivavahana mifanaraka amin’ny fon’Andriamanitra, izany no tena vavaka. Eo amin'ny Fiangonana, ny vavaky ny fanelanelanana kristiana dia mandray anjara miaraka amin’i Kristy: izany no fanehoana ny fiombonan’ny olo-masina. Katesizy momba ny vavaka fanelanelanana, iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.

19 septambra 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahefatra amby roapolo Mandavantaona — Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 7, 36-50)

Ny lehilahy sy vehivavy mivavaka dia mikatsaka ny ho irery sy ny fahanginana, tsy hoe mba tsy hoelingelinina fa mba hihaino tsara kokoa ny feon’Andriamanitra. Na iza na iza dia afaka mandondòna eo am-baravaran’ny olona mivavaka ary mahita ao aminy ny fo feno fangorahana, izay mivavaka tsy manilika na iza na iza. Katesizy momba ny vavaka fanelanelanana, iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...