Ny “Mandra-maty no itiavako anao, ahoana no hahatanteraka izany ?” dia manasongadina ny hasarobidin’ny fanambadiana sy ny fitiavana maharitra eo amin’ny mpivady, izay antsoin’Andriamanitra hiombona amin’ny fahamarinana sy ny faharetana mandra-pahafatiny. Ny fahatanterahan’izany dia miankina amin’ny fiorenan’ny fitiavana amin’Andriamanitra, ny fiezahan’ny mpivady amin’ny fifandraisana, fifampitokisana, fifamelana, sy fifanohanana, ary ny fananana tanjona iombonana eo amin’ny fiainana... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ny tsiky dia avy ao anaty, midika hafaliana io no mitondra fitoniana ; endrika ivelany ahatarafana sahady ny finiaivana hametraka fiovana, manome lanja ny fifandraisana sy ny fifampihainoana. Manana anjara adidy fampandroso ny firenena ny tsirairay, ny hevitry ny maro mantsy no mahataka-davitra. Ny olona vanona sy vonona dia miasa an-drariny ary miteraka fampandrosoana maharitra... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny zokiolona dia ireo 50 taona mihoatra, sokajin-taona vaovao ary toe-pahasalamana vaovao no iainan'ireo olona ireo : fanimpanina, tsy mahare loatra, fahasalamana anaty, fiovana ety ivelany. Ny taona dia mifamatotra amin'ny fahasalamana, misy araka izany ny fepetra raisina mba afahana manara-maso ny fahasalamana ; ilàna fandanalanjana ny sakafo sy ny fihetseham-batana.... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Ny "goitre" dia aretina iray miteraka olana amin'ny fitelemana sakafo, manimba ny feo, aretina mihombo tsikelikely. Ny fivontosana amin'ny vatan'ny tiroida, izay manimba ny ampahany anoloana amin'ny tendany. Ny tiroida no mpamokatra ny tsirimpanentana, ilaina miantoka ny fitempon'ny fo, fanodinana ny sakafo sy zavatra maro anatin'ny olombelona, fandanjalanjana ny hafanan'ny vatana... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco