Tao anatin'ny taona vitsy dia betsaka ireo olona manana olana noho ny tosi-dra, misy ireo mamoy ny ainy misy ihany koa ireo mitondra takaitra. Manomboka amin'ny faha-30 taonan'ny olona dia tokony hanana fahazarana mitsapa ny tosi-dra. Misy ny fepetra ara-pahasalamana tokony harahina manoloana ny fiakaran'ny tosi-dra ; ny fandraisana ny fanafody dia tokony hajaina ny ora sy ny fatra. Ny antony mampiakatra ny tosi-dra : Fiakaran'ny taona, tarazo, be menaka ny ra, tsy fampiasam-batana... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Ny ankizy sy ny tanora no maro an'isa eto Madagasikara. Ny fanabeazana dia miainga amin'ny zaza mba ho tompon'andraikitra amin'ny tenany, ary mivelatra amin'ny fiaraha-monina. Noho ny fomba fanabeazana dia manana adidy sy andraikitra hampandroso ny firenena amin'ny tsirairay. Tsara alain-tahaka ny fomba fanabeazana sôvetika : ny fametrahana an-tsoratra lehibe amin'ny talaky maso ny zavatra sy lesona tokony hotadidiana sy hajaina, isany singa hanefy ny tsirairay ireny... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ny amibiase dia iray amin'ireo aretina katsentsitra mahafaty indrindra eran-tany (aorian'ny tazomoka sy schistosomiasis). Manodidina ny 10%-n'ny mponina eran-tany no voan'ny amibiase avy amin'ny karazana kantsetsitra Entamoeba, ny Entamoeba histolytica, izay isan'ny miteraka ny aretina. Fomba fifindrany : amin'ny alalan'ny tay miparitaka, sakafo tsy voadio tsara, loto isan-karazany ; miditra ao am-bava mitody ao amin'ny tsinay ary mitombo ao ka mandavaka ny rindrin'ny tsinay. Fambara : mangotika sy marary ny kibo, mahatsiaro voky lava, mivalana matetika ary mety misy ra... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Marihana isaky ny 20 May ny andro eran-tany hoan’ny tantely. Mamokatra tantely 3 arivo hatramin’ny 4 arivo taonina isan-taona isika araka ny tarehimarika navoakan’ny EDBM tamin’ny taona 2023. Laharana fahafito aty Afrika amin’ny famokarana tantely i Madagasikara. Efa ela no niompy tantely ny malagasy ary manana karazana tantely maro koa noho ny fananana hazo sy zava-maniry hamokarana ny mamin-tantely. Manome lanja manokana ny fampiroboroboana ny lalam-pihariana tantely ny tranoben’ny tantsaha mampokatra nasionaly...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 23 jona 2025

• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...