Ny fiarahan-dia dia midika fiaraha-mientana, fiaraha-misalahy amin'ny fanatontosana ireo fitsaboana sahaza ; manomboka any amin'ny fisorohona, ny fitsaboana ary ny fanaraha-maso aorian'ny fitsaboana. Miseho amin'ny endrika maro ny fiaraha-mientana ary tokony hamafisina eo amin'ny mpiasan'ny fahasalamana rehetra ka tokony ho hafatra iray no ampitaina manoloana ny trangan'aretina iray. Ampanjakaina ny fanajana ny maha-olona ary alavirina ny kolikoly... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana Vaomieran'ny Eveka misahana ny fahasalamana ary ny ivon-toerana Arrupe.
Ny ray aman-dreny no môdely ho an'ireo zanaka, ary manana adidy hametraka rafitsaina mendrika ny maha olombanona. Ny fanabeazana dia mila saina tia karokaroka ; tsy afaka misaraka ny fanabeazana sy ny fiainam-pirenena izany hoe miainga ao an-trano. Manahirana ny fanabeazana ankehitriny, antony vitsy ny tsy fahampian'ny fotoana hifampiresahan'ny zanaka sy ny ray aman-dreny, eo koa ny herin'ny vola izay lasa toy ny sampy... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny fahasalaman'ny zokiolona dia miankina amin'ny tontolo manodidina azy. Isan'ireo mandrafitra ny fahasalaman'ny zokiolona ny hafaliana, fanatseham-batana, fahafahana mikarakara zavatra iray. Rehefa +55 taona ny olona iray dia efa azo lazaina hoe "zokiolona", izay mety ho tojo fahasahiranana ara-pahasalamana raha tsy nihomana tamin'ny lafiny maro, talohan'io taona io ; ohatra ny fitandremana ara-tsakafo, ny fitaizam-batana... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ny calcium sy ny magnésium dia singa mineraly ilain'ny vatana ; ny calcium dia manampy amin'ny famoronana sy fanamafisana ny taolana miaraka amin'ny vitamine "D", ny magésium kosa dia manampy amin'ny fiasan'ny nofo sy manaitra ny retsika ao amin'ny atidoha. Ny tsy fahampiana magnésium na betsaka loatra dia mitovy ny fitragany. Fambara tsy ampy calcieum : makina sy mihofaka ny oditra, vakivay ny hoho, makina ny volo, manao "crampes" ny fehy na ny lamosina... Fandaharana "andriano ny fahasalamana" eto amin'ny radio Don Bosco.
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco