Ny firaisan-kina no hery ary ny fifampiresahana dia miteraka filaminana, ireo no mitondra amin'ny fampandrosoana. Ny fanabeazana miainga ao an-tokantrano no mampianatra ny zanaka hahay andray andraikitra miainga amin'ny fanadiovana ny vatana. Ny fifampitokisana dia mitondra amin'ny fahamarinana, ho voahaja manaraka izay ireo soatoavina hafa... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny reny dia isan'ireo manana andraikitra lehibe ao an-tokantrano, noho izany mba mila manana fotoana hialana voly izy. Ny fialam-boly dia fiatohana afahana mamerina ny hery ho entina miasa na mihetsika indray. Ny fialam-bola ihany dia fialana amin'ny asa fanao andavanandro, ialana amin'ny harerahana, hanovozana hery vao. Ny fiatohana dia fotoana afahana mankafy izay natao. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ny vato ao amin'ny voa dia aretina mpahazo ny taova mamorina amany, manaraka hatrany amin'ny fantsona fivoahan'ny amany. Rehefa tsy ampy ny fatran'ny "Citrate" ao amin'ny vatana dia mampitombo ny tandindona mety hampisy vato ny olona iray. Ny vato ao amin'ny voa dia misy azo levonina araka ny habeny. Ny fisotroana rano no manampy ny voa hatanteraka ny asany. Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Misitraka fiofanana hoan’ny mpampiofana mpampitombo amin’ny famokarana biolojika amin’ny alalan’ilay tetik’asa KCOA-KHEA ireo mpikamban’ny Filamatra Soa Iombona na ny FISOI sy ny SOAMITSINJO ato amin’ny faritra Analamanga. Fihofanana nandritra ny dimy andro natao tao amin’ny Foibe SAF FJKM na ny FOFIFAKRI Isoavina Ambanitsena distrikan’i Manjakandriana ny volana Mars 2024....
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco