Tao anatin'ny 9 volana no nitondrana famelabelarana nahafahana niresaka ny " fanabeazana ao amin'ny ankohonana no antoky ny fivelaran'ny zanaka". Ny fihavanana dia isan'ireo Soatoavina Malagasy, fototra iray afahana mampianatra ny zanaka, mikasika ny fiaraha-monina. Ny fampandraisana andraikitra ny ankizy ao an-tokantrano sy any an-tsekoly dia mifameno, mahasoa ny fanabeazana... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Nanatevina ny fahalalany momba ny fiovan’ny toetr’andro ireo mpikamban’ny filankevi-pitantanan’ny Réseau SOA miara amin’ireo tanora tompon’andraikitra ao aminy. Fihofanana natao Ilafy ny 20 Novambra 2024 ka ireo iraka avy amin’ny AFDI, fikambanan’ny tantsaha avy any Frantsa, no nizara ny traik’efa sy ny fahalalana. Noresahan’ireto iraky ny AFDI ireto ohatra ny antony mahatonga ny fiovan’ny toetr’andro, ny fisehoany amin’izao fotoana izao, ny fiatraikany amin’ny famokarana eran-tany ary isan’izany ny eto Madagasikara, ny tokony hatao hiatrehana ny voka-dratsiny...

Ao anatin'ny fiatrehana ny fifidianana izay ho ben'ny tanàna sy mpanolontsaina isika, zava-dehibe ny fanentanana manokana mahakasika ny latsa-bato voadinika sy ny tamberin'andraikitry ny olom-boafidy. Ao anatin'izany indrindra no nanantanterahana ny famelabelarana mahakasika an'ireo lokan'ady tokony ho atrehina mba hanànana fifidianana tomombana sy rafitra demôkratika sahaza amin'ny alalan'ny fandraisan'anjara ny tsirairay ho fandrafetana fitantanana mangarahara sy mahomby eny anivon'ny vondrom-bahoaka isan'antana-tohatra... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe.

Ny fandoavan-ketra no afahana maneho fa olom-pirenena ny olona iray. Ny hetra no isan'ireo afahana mampandroso ny tanàna iray ; rehefa mahaloa hetra isika dia afaka maneho hevitra amim-pahalalahana, isan'ireo mpamatsy vola ny fampandrosoana ihany koa mantsy. Ny safidy nataon'ireo solombavambahoaka mikasika ny teti-bolam-panjakàna dia safidy tsy mahasoa, no sady fanaovana tsinotsinona ny fampianarana sy ny fahasalamana ary ny fambolena izay foto-piveloman'ny Malagasy. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...