Ny fifanajàna no fototra sy toetra maha olom-banona. Ny olom-pirenena manana zo hifidy dia manana fahefana hamaritra ny olona hitondra ny fireneny, ary izany no antoka hampandrosoana. Manana adidy ny hiaina ny fahamarinana ny olona rehetra, samia miezaka hiala amin'ny risoriso, ny fitiavantena sy ny toetra ratsy hafa ; ny mpanao gazety dia tompon'andraikitra amin'ny fitaizana, tokony hasongadina kokoa ny soa iombonana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Tompon'andraikitra miaraka amin'ny reny hatrany ny raim-pianakaviana amin'ny fanabeazana ny zanaka vavy ny ray. Toy ny renim-pianakaviana dia tsy maintsy miomana ihany koa ny ray amin'ny fanabeazana ny zanaka. Tsy tokony hasiana fanavakavahana na tombony manokana ho an'ny zanaka lahy na vavy. Ny fifankahazoana eo amin'ny ray sy ny zanaka vavy dia voajanahary anefa tokony hazava tsara ny fahefana maha ray sy maha raiamandreny... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Ny "AVC" dia tsy fahatomombanana tampoky ny fiasan'ny atidoha noho ny fijanonan'ny famatsiana ra ho an'ny atidoha. Ny olona rehetra dia mety ho voakasiky ny "AVC" ;  izy ity dia vokatry ny fahatsentsenan'ny lalan-dra na ihany koa mihenjana mafy loatra ny lalan-dra. Ny "AVC" dia misy karazany roa : 1-  AVC isquemique (tsentsina ny lalan-dra) ; 2- AVC hemoragique (tena tapaka ny lalan-dra), samy mamela takaitra ireo... Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.

Nankalazaina tamin'ny fomba ôfisialy ny alahady 20 oktobra teo ny faha-35 taona niorenan'ny toby AKAMASOA, tarihan'i Mompera Pedro Opeka. Vohitra itoeran'ny Fampandrosoana ny maha-olona amin'ny lafiny ara-panahy, ara-tsaina ary ara-batana. 35 taona nanentanana ny olona hiady amin'ny fahantrana, hanana fiainana tsaratsara kokoa hatrany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...