Ny hoe "mitoka-monina" dia ireo misafidy mandeha irery, tsy te hifandray amin'ny hafa, manohy ny fiainany manokana. Ny mahatonga ny olona "mitoka-monina" dia tahotra ary misy koa ireo mihevitra fa mahavitatena. Ny fihetsik'ireny olona mitoka-monina ireny dia manosika ny fiaraha-monina hanilika azy ireny ; sakana tsy afahana mivoatra ny fitokana-monina satria mety tsy ho voakasika daholo ny lafiny mahaolona dia ny vatana, saina, fanahy, fiaraha-monina... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Tsy manao ambanin-javatra ny fiarovana ny tontolo iainana amin'ny alalan'ny fanarenana ny tontolo manodidina sy ny ala ny fikambanana Union MATANJAKA ao amin'ny Faritr'i DIANA. Manana tetik'asa iarahana amin'ny Réseau SOA tohanan'ny F.F.F-F.A.O izy ireo. Tetik'asa famokarana zana-kazo sy fambolena hazo...

Anisan’ny fomba iray manampy amin’ny firindran’ny fiainam-pianakaviana ny fisafidianan’ny mpivady ny isan’ny zaza ateraka sy ny fotoana hananany izany. Ny fandrindram-piterahana ara-boajanahary dia ankatoavin’ny fiangonana katolika ny fanarahana azy. Tsapa araka ny zava-misy sy ny fanehoan-kevitr’ireo olona fa tsy dia mbola ampy ny fampahafantarana io fomba io, na dia ilaina aza. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana vaomieran'ny fahasalamana, eo an'ivon-toerana Arrupe.

Ny fifanajàna no fototra sy toetra maha olom-banona. Ny olom-pirenena manana zo hifidy dia manana fahefana hamaritra ny olona hitondra ny fireneny, ary izany no antoka hampandrosoana. Manana adidy ny hiaina ny fahamarinana ny olona rehetra, samia miezaka hiala amin'ny risoriso, ny fitiavantena sy ny toetra ratsy hafa ; ny mpanao gazety dia tompon'andraikitra amin'ny fitaizana, tokony hasongadina kokoa ny soa iombonana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...