Manerantany dia 120.000.000 ny olona voan'ny aretina ongobe na bongabe, amin'ireto faritra ireto no tena ahitàna azy, afrika, asia, amerika afovoany sy atsimo. Eto Madagasikara dia ditsrika 104 no ahitana azy, ary hanaovan'ny ministera hetsika fanentanana. Ny atao hoe ongobe na bongabe dia fivontosan'ny tongotra, na ny hankasarotana na eo amin'ny nono. Kankana mitombo sy manentsina ny lalan-drà no mahatonga ny fivontosana ary mifindra amin'ny alalan'ny kaikitry ny moka... 

♦ Hiafara amin'ny fanagiazana ny taratasin'ny mpandraharaha ny tsy fampiasany ato amin'ny tsena anatiny, ny vola vahiny azony amin'ny alalan'ny fanondranana entana... ♦ Miditra amin'ny andiany faha-15 ny RFC. Anjara birky entiny amin'ity andiany ity ny fiarovana ny tontolo iainana... ♦ Mampanahy ny hiverenan'ny fihanaky ny Coronavirus fanindroany any Brésil, hoy ny ministry ny fahasalamana bresiliana... 

♦ Navoaka tamim-pomba ofisiay ny andiana mpianatra miisa 117, izay nahavita fianrana teny amin'ny UCM... ♦ Ho hamafisina ny fanentanana sy famongorana ny herisetra mianjady amin'ny ankizy ary hisitraka tohana ihany koa ireo fikambanana miahy ankizy... ♦ Manao tohivakana ny fametra-pialan'ireo ministra armeniana taorian'ny fifanaovan-tsonia ho fampitsaharana ny ady any Haut-karabakh... 

Sabotsy 21 nôvambra 2020 — Herinandro faha-33 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 20, 27-40 — Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana ; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...