♦ Fihavaozana, fiampitana ary firaisan-kinam-pirenena, izay no lahahevitra ifantohan'ny hetsika atao eny amin'ny Rovan'Antananarivo amin'izao fotoana izao... ♦ Tsy nahazo rariny hatramin'ny farany tamin'ny fitoriana izay nataony hanoherana ny fananganana ny kianja Masoandro ireo fikambanana roa ambin'ny folo izay nivondrona nanohitra ny tetik'asan'ny Filohan'ny Repoblika...
Zary fomba amam-panaoantsika amin'izao fotoana izao, na lehibe na tanora na ankizy ny tsy mahay miaina sy tsy mahay mitia. Mamono ankoloka na mivantana ny fampitondrana kitra ny mpiara-belona. Ny fametahana anaram-bositra dia fampitondrana kitra
♦ Dimy amby roapolo taona katroka androany ny nahamay ny lapan'i Manjakamiadana eny amin'ny Rovan'Antananarivo... ♦ Isan'ireo firenena afrikanina sahy niroso tamin'ny fangatahana ireo harena sy vako-pirenena nalain'ny tany ivelany i Madagasikara... ♦ Ny Pastora Docteur Rakotozavy Denis no lany ho Filohan'ny Fiangonana Loterana Malagasy...
Zoma 06 nôvambra 2020 — Herinandro faha-31 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 16, 1-8 — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao.
• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco