Sabotsy 13 jona 2020 — Herinandro faha-10 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 33-37 — Araikao amin'ny fanambaranao ny foko, ry Tompo, ary ny lalànao no aoka haneika ahy.
Nantsoin’ny Ray hiala sasatra ao aminy ny zoma 12 jona 2020 tamin’ny mitataovovonana i F. Abbio Elio, sdb, rehefa nahavita ny iraka nankininy taminy, nandritra ny 65 taona naha-relijiozy azy tao amin’ny Fikambanana Salezianin’i Don Bosco.
♦ Ahiana hampakatra indray ny isan'ny ankizy miditra amin'ny sehatry ny asa ny krizy ateraky ny Coronavirus... ♦ Niroso tamin'ny hetsika fanairana nanomboka ny maraina teo ireo Paramed mivondrona ao amin'ny sendikà SISFM... ♦ Nanomboka androany kosa ny fivoriana ara-potoan'ny mpanolo-tsaina monisipaly ao amin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra...
♦ Niampy 41 indray ireo olona tratran'ny Covid-19 ary miisa 16 ireo sitrana raha ny tatitra omaly... ♦ Vaky ambatolampy ny tsy fitovian-kevitra eo amin'ny Minisitry ny Fitsaraba sy ny Sekretera jeneralin'ity Minstera ity, nanoloana ilay mpanakanto nahafaty olona teny Tsarasaotra... ♦ Tsy mitsaha-mitombo ireo mpivarotra amoron-dalana tsy ara-dalana, manararaotra ny fisian'ny hameha ara-pahasalamana...
• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco