♦ Tsy nisy tranga vaovao na olona nahitana ny tsimok'aretina Corona Virus tao anatin'ny 24 ora ary tsy nisy ny aina nafoy... ♦ Nihatsara ny fahasalaman'ireo olona mitondra ny tsimok'aretina taorian'ny fandraisana an-tanana nataon'ireo Malagasy manam-pahaizana, mpikaroka, mpitsabo azy ireo... ♦ Manaraka ny toromarika avy amin'ny Filoham-pirenena ny amin'ny fanaraha-maso sy fandaminana ary ny fitsinjarana ireo vary mora kosa ny Solombavam-bahoaka...
♦ Tokony samy hanaja ny zon'ny mpiasa ny mpampiasa amin'ny sehatra tsy miankina ho an'ireo orinasa mbola manohy ny sehatr'asany... ♦ Manentana ny Malagasy rehetra samy hijanona any an-tranony avokoa ny filohan'ny FMI Malagasy... ♦ Manohy ny iraka tanterahana andavan'andro ny Banky Foiben'i Madagasikara...
Alarobia 25 marsa 2020 — Ny nilazana fa haka nofo ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 26-38 — Ny Teninao, ry Tompo, no fahamarinana, ary ny lalànao no fanafahana.
♦ Hatramin'ny mitatao vovonana teo, 19 ireo olona mitondra ny tsimok'aretina Corona Virus...♦ Manomboka amin'ity herinandro ity, dia hisy sarom-bava hatramin'ny 40.000, hovokarin'ny orinasa iray eto an-toerana ihany...♦ Mampahatsiahy ny mpitandro ny filaminana fa anatin'ny hamehana ara-pahasalamana i Madagasikara, ka tokony tsy hivezivezy eny an-dalam-be ny rehetra...
• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco