Mirona kokoa amin'ny fotoam-pifidianana Ben'ny Tanàna sy mpanolontsaina ny sain'ny Malagasy amin'ny ankapobeny. Raha tiana hatezana ny fiaraha-miasa dia tsy maintsy asongadina ny fifampitokisana, ny fandalàna ny fahamarinana, ireo miorina amin'ny fifankatiavana no miteraka fifandrasiana tsara rindra. Ny tena safidy marina dia izay manome tombony ny "soa" sy "mampivelatra" fa tsy ny mihanona amin'ny "mahafinaritra" fotsiny. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Hoy Masindahy Grégoire avy any Nyssa : ilaina ny faharetana amin'ny vavaka, izay fifampiresahana mba hitazonana ny fifandraisana amin'Andriamanitra. Ny faharetana dia asan'ny finoana. Ny vavaka maharitra dia fanao ara-panahy izay mitaky fahatokiana, faharetana, fanoloran-tena tsy tapaka amin'Andriamanitra... Katesizy momba ny vavaka maharitra, iarahana amin'i P. Ratinarivony Laurent.
14 nôvambra 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra faharoa amby telopolo Mandavantaona— Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 20-25)
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco