13 septambra 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra fahatelo amby roapolo Mandavantaona — Ny tenin’Andriamanitra dia maharitra mandrakizay; ary izany tenin’Andriamanitra izany dia ny Evanjely izay notorìna taminareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 39-42)

Mangataka, mitalaho dia tena maha olombelona izany. Araka ny voalazan'ny katesizy: amin’ny alalan’ny vavaka fangatahana no hanehoantsika ny fahatsiarovan-tena ny amin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra : ry zavaboary, tsy isika no fiaviantsika, na tompon’ny fahoriana, na tompon'ny fiafarana, fa mpanota, isika. fantaro , amin’ny maha Kristiana antsika, fa fangatahana dia efa fiverenana aminy Katesizy momba ny vavaka fangatahana, iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.

12 septambra 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahatelo amby roapolo Mandavantaona — Izay mitandrina ny didin’i Kristy no manana ny fitiavan’Andriamanitra lavorary ao aminy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 27-38)

Ao amin’ny “Rainay” isika no mivavaka mba hahazo famelan-keloka – izay fanao isan’andro; mila famelan-keloka foana isika - dia ny fiadanana eo amin'ny fifandraisantsika; ary farany, mba hanampiany antsika amin’ny fakam-panahy sy hanafaka antsika amin’ny ratsy. Katesizy momba ny vavaka fangatahana, iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...