♦ Samy mitebiteby ireo mpiadina sy ny ray aman-dreny amin'ny fizotry ny fanadinana Bakalôrea. Miahiahy amin'ny resaka fivoahan'ny laza adina izy ireo ka miomana ara-tsaina amin'izay mety hitranga rehetra, hatramin'ny fiafaran'ny fanadinana... ♦ Milaza ny hampiato ny fandraofana sy fitaomana fako ireo mpiasan'ny SMA. Nifamotoana teny amin'ny foiben'ity orinasa teny Nanisàna indray izy ireo omaly, nitaky ny handoavana ny karamany volana jona... ♦ Mbola mitohy foana ny fanotorana tany ao an-drenivohitra ao amin'izao na dia miato aza izany ; nametra-panontaniana amin'ny mpitantana ny Kaominina Antananarivo momba izany ireo mpanolontsainn'ny tanàna omaly...
Mora ve ny mivavaka ? Tsia, tsy mora ny mivavaka fa mitaky ezaka maro sy faharetana. Ny loharanon'ny vavaka : tsy miankina amin'ny zava-misy sy ny toerana ny fahafahana mivavaka. Izany hoe izay zavatra hitan'ny maso, ny tontolo hifaneraserana no ampiasaina ho lasa vavaka sy loharano ipoiran'ny vavaka. Ohatra : mpitarika sarety ve ianao? Ataovy sehatra hahaizana mitarika vavaka io... Katesizy momba ny vavak'i Davida, iarahana amin'i P. Sylvain Rafaralahimboa.
23 jolay 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahenina ambin'ny folo Mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 12, 46-50)
♦ Mpiadina maherin'ny roa hetsy no niadina ny fanadinana Bakalôrea manerana ny nosy, nanomboka androany. Milaza ny efa miomana ara-tsaina ireo mpiadina sendranay tao an-drenivohitra, mitaintaina noho ny resaka “fuite de sujet”... ♦ Milaza ny hampiato ny fitaomana ny fako androany, ireo mpiasan'ny SMA, mitaky ny handoavana ny karamany volana jona... ♦ Mbola mitohy hatrany ny fanotorana tany ao an-drenivohitra amin'izao, na dia miato aza izany. Nametra-panontaniana amin'ny mpitantana ny Kaominina Antananarivo, ireo mpanolotsain'ny tanàna, androany...
• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco