I Kristy ilay Masina no manamasina ny Fiangonana, nanolon-tena ho azy satria noraisiny ho toy ny vadiny ny Fiangonana. Ny Fiangonana dia Vahoakan'Andriamanitra misy ny Eveka, Pretra sy ny Lahika ary ny relijiozy ary mifototra sy mivondrona ao amin'i Kristy. Ny fanarahana ny toro-hevitry ny Evanjely no hevitra fototra iraisan'ny Relijiozy... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.

• Nampiato ny fitokonany androany ny Tambaben'ny Mpiasan'ny Jirama. Nanao fanambarana izy ireo fa vonona hihaona amin'izy ireo ny Filoham-pirenena, ka noraisina aloha izay fampiatoana ny fitokonana izay... • Mahatratra 73 % ny taham-piaboan'ireo olona mitondra ny tazomoka any amin'ny Distrikan'Ikongo. Efa misy fivoarany ny zava-misy any an-toerana, hoy ny Tale Jeneralin'ny BNGRC androany tamin'ny mpanao gazety... • Nampiharina tamin'i Da-Willy, ilay tovolahy nanolana zaza tsy ampy taona teny Imerintsiatosika, ny lalanan'ny famosirana. Navoakan'ny Fitsarana androany teny Anosy, ny didim-pitsarana manasazy ity tovolahy ity...

♦ Tsy mbola misy mangirana aloha hatreto ny vokatry ny fikarohana nataon'ny sambo Antsantsa momba ilay sambo A.W tsy hita nanomboka ny 16 jona lasa teo. Efa natao koa ny fanadihadiana tamin'ireo firenena manodidina saingy mbola tsy misy ny vaovao marim-pototra... ♦ Tsy isan'ireo vokatra nahazo ny taratasy fanamarinana fa azo hanina sy jifaina ny menaka ROOTS hoy ny ao amin'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka... ♦ Nandrombaka ny laharana voalohany tamin'ny fiadiana ny amboara eran-tany natao tany Marseille-Frantsa tamin'ny tsipy kanetibe indray ny ekipa Malagasy...

65 taona namerenana ny fahaleovan-tena ho an'ny Malagasy dia manalasala ihany. Raha oharina amin'ny fahaveloman'ny olona iray dia olona efa anatin'ny vanim-potoanan'ny maha ray aman-dreny, manana traik'efa sy afaka mampita soatoavina amin'ny manodidina sy ny ankohonana. Ny hoe "tanindrazana" dia tsy ilay tany ihany fa ny vohoaka eo aminy ihany koa. Fahaleovan-tena toy ny ahoana anefa no misy, ara-pifandraisana sy ara-piarovana, ara-toekarena?  Ny fanatanterahana ny filan-kevitry ny ministra mitety Faritra dia taratry ny fahaiza-miaina... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...