Ny Papa Joany Paoly-II dia nanao katesizy misesy mikasika an'i Masina Maria, ka ny laharana faha 54, tamin'ny taona 1997 no miresaka ny fahafatesan'i Renin'Andriamanitra. Tsy manda ny fahafatesan'i Masina Maria ny Papa Pie-XII. Tsy lo fa avy hatrany dia nakarina any an-danitra avy hatrany ny Renin'Andriamanitra ; mety kokoa ny mihevitra fa nandalo fahafatesana izy ... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
• Miady dia miady ny lalao baolina kitra eo amin'i Madagasikara sy i Soudan. Lalao manasa-dalana voalohany amin'ny CHAN 2025 tanterahana any Tanzanie... • Ilana fanapahan-kevitra politika sy fahasahiana ny fampiasana ny rafi-pitsarana Fitsarana Avo na ny HCJ, raha te hanafoana ny tsimatimanota, hoy ny Solombavam-bahoaka Fetra Rakotondrasoa... • Nanome lanja ny fanabeazana ara-tontolo iainana ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena. Misy ny Ivon-toerana ibeazana ara-kolontsaina mirindra amin'ny tontolo iainana na ny IIKT, natokana hanabeazana ny olom-pirenena rehetra anavahana, eo ambany fiadidiany...
♦ Anio hariva ilay fotoan-dehibe ho an'ny Barean'i Madagasikara amin'ny lalao ankatoky ny famaranan'ny CHAN 2025. Tsy lalaovina fa tena alaina ho fandresena ny lalao amin'i Soudan hoy ny mpanazatra Maître Rôrô omaly... ♦ Mbola manamafy ny heviny ny KMF/Cnoe fa tokony hiantsoana ireo mpisehatra rehetra voakasika ny fanatsaràna ny lalàm-pifidianana... ♦ Miha-mihena ankehitriny ny velaran'ny farihin'Itasy noho ireo antony samihafa. Miha marivo ihany koa ny halaliny hoy ny tatitry ny sampandraharaha fanajariana ny tany sy tontolo iainana any an-toerana... ♦ Noroahin'i Australie hiala any aminy ny masoivohon'i Iran miasa any amin'ity firenena ity...
♦ Hiatrika ny dingan'y ankatoky ny famaranan'ny CHAN 2025 anio hariva ny Barean'i Madagasikara, hihaonana amin'i Soudan. Miandry fatratra izany ny mpitia baolina kitra malagasy... ♦ Tsy ny lalàna no ratsy fa miankinaé amin'ireo Parlemantera no afahana manenjika ny ministry ny fitanterana amin'ny raharaha Boeing 777, hoy ny mpahay lalàna Toavina Ralambomahay... ♦ Mitaky ny hisian'ny mangarahara amin'ny fanamboarana ny lalambe migodàna ireo solombavambahoaka mpanohitra. Tsy mahafeno ny fepetra maha-auto-route azy ilay lalana 8k vita, hoy Andriamatoa Todisoa Andriamampandry...
Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco