22 septambra 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahefatra amby roapolo Mandavantaona — Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 8, 1-3)
♦ Nihaona nikaton-trano nandritra ny ora roa teny Ambohidahy androany, ireo kandidà 10 amin'ny 13 sy ireo mpikamban'ny HCC. Tsy nisy nipika ny dinika, tsy nety nitatitra ny vokatr'izany tamin'ny mpanao gazety, ireo kandidà... ♦ Hisy fanatsarana ny famokarana fandaharana mandeha eto amin'ny Radio Don Bosco, izay hanampy amin'ny fanofanana tanora amin'ny sehatry ny famoronana na fitadiavana asa. Nisy androany tety Ivato, ny fakan-kevitra amin'izany tetik'asa izany...
♦ Handray mpisam-panjakàna raikitra maherin'ny 17.000 isa, mahafeno fepetra ny Fanjakàna malagasy. Ireo mpiasa ao anatin'ny Sokajy EFA no horaisina araka ny tapaka nandritra ny filan-kevitry ny ministra omaly... ♦ Nanara-dalàna ny dingana natao amin'ny fanomzana ny tsy miankina ny fitantanana ny "abattoire" ao Tsiroanomandidy hoy ny tale jeneralin'ny Fiompiana Lezoma Tsiry Andriamatola... ♦ Efa miomana sahady amin'ny fanonerana ny fotoana ampiasàna ny efitranon-tsekoly amin'ny latsabato atao mandritra ny fifidianana amin'ity taona ity ny ao amin'ny CISCO Antananarivo Renivohitra... ♦ Hivahiny any Chine amin'ny Ôktôbra izao ny filoha Rosiana Vladmir Poutine araka ny fanambarana ôfisialy...
Ny safidy dia lalàm-piainana. Safidinao ny hiaina ny fahamarinana sy ny hahatsara ny fiainanao. Safidy ny hahatsara sy izay mba hanana ankohonana. Ny safidy dia mahatonga ny olona iray ho tompon'andraikitra. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny Diosezin'i Mananjary ankehitriny, ny Nonce Apostolique an'i Madagasikara. Ao anatin'izany no hankalazana ny faha-150 taonan'ny Fikambanana Société du Verbe Divin... • Mpivahiny masina miisa 4.500 no niatrika ny JMJ tao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa, izay nifarana ny alahady lasa teo... • Tsy ny manome ihany, fa ny fianarana mangataka ihany koa ny fitiavana, hoy ny Papa Léon IXV tamin'ny fampianarany ny alarobia 3 septambra 2025, tao anatin'ny Audience générale...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco