Nomen'Andriamanitra fahasoavana manokana i Masina Maria, niteraka ny zanany, ambony noho ny olombelona, eny, ambony noho ny anjely ihany koa. Efa ela ny tsy mpino no nanaja ny renin'Andriamanitra, fa niroborobo ny fanajàna taorian'ny Kônsily tany Efezy, rehefa nambara am-pahibe maso fa renin'Andriamanitra i Masina Maria, tamin'ny taona 431... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
• Nandefa teny fiarahabana sy tsodrano ho an'ny Filohan'ny Fiangonana FJKM vao voafidy, ny Fivondronamben'ny Eveka androany... • Mbola maresaka eo amin'ny sehatra politika ny fitantanan'ny Filoham-pirenena Malagasy ny vondrona SADC manomboka izao... • Miandry fatratra ny lalao ampahefa-dalan'ny CHAN, hifanandrinan'i Kenya sy i Madagasikara ny mpanohana ny Barea. Lalao hiady io rahampitso io, hoy ny mpamakafaka baolina kitra...
♦ Andro faha-4 amin'ny fihaonambe "Forum" ho an'ny firaisamonim-pirenena ao amin'ny SADC tanterahana eto Antananarivo ny androany. Nisy omaly ny atrik'asa momba ny fandraisana andraikitry ny vehivavy amin'ny raharaham-pirenena... ♦ Miara-miasa amin'ny fanavahana sy ny fanodinana ny fako ao Toamasina ny Ministeran'ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovain-jafy sy ny Orinasa Agrotech. Tontosa omaly ny sonia momba izany... ♦ Miatrika zaikabe ao Antsirabe ny tanora avy amin'ny Fiangonana Anglikàna eto Madagasikara (EEM) Tanora miisa 2.000 avy amin'ny Diôsezy enina manerana ny nosy no mandray anjara...
♦ Lany filoha hitantana ny Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) ny mpitandrina Andriamampianina Zaka Hary Masy. Tontosa alina tany Taolagnaro ny fifidianana. Izy no handimby ny mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammy... ♦ Miray feo ny firaisamonim-pirenena misehatra amin'ny fifidianana eto Madagasikara fa tokony ampahafantarina amin'izay ny daty hanaovana ny fifidianana Loholona amin'ity taona ity. Mila hajaina ny dingana voarakitry ny lalàna hoy ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena... ♦ Nivoaka androany ny valin'ny fanadinana bakalôrea ho an'ny Faritany Toamasina. Nahatratra 55,36% ny taha-pahafaham-panadinana tamin'ity taona ity...
Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco