♦ Tsy mitombina ny fitakiana tetezamita satria tsy misy krizy pôlitika eto Madagasikara hoy ny solombavambahoakan'Ankazobe. Nambarany fa matahotra fifidianana ny mpnaohitra mitaky izany fitondràna tetezamita izany... ♦ Efa misy ny fanadihadiana ireo olona ambony voatonontonona ho naka vola tamin-dRamatoa Razaivola, raha ny filazan'ny Ministry ny Fitsaràna. Mihatra amin'ny olona rehetra hoy izy ny lalàna amin'ny maha tany tan-dalàna an'i Madagasikara... ♦ Misy fahasimbàna ka voatery najanona tampoka ireo milina miisa 03 mpihary herinaratra any Andekaleka. Ny fiantraikan'izany no hanazavàn'ny Jirama fa mahatonga ny fahatapahan-jiro maharitra sy miverimberina tato ho ato...
Ny anarana dia entina hamantarana na hanavahana olona na zavatra. Ny anarana dia misy fototra ara-kolontsaina lehibe teo amin'ny Ntaolo sy ny razambe Vazimba. Ny fomba fanomezana anarana dia teny ierana eo amin'ny olon-droa farafahakeliny. Ny anarana dia miankina amin'ny volana, andro, fotoana nahateranana ; ohatra Dama, Ratalata, Rabefararano. Misy fotoana araka ny laharam-pahaterahana ihany koa ; ohatra : Rakoto, Rasoa, Ranaivo, Raivo, Mparany, Fara. Fandaharana "Filira" sokajy Riba.
♦ Ahiana hikorontana ny famatsiana solika, noho ny tsy fisian'ny fitanterana intsony nanomboka ny sabotsy teo. Nametraka fepetra hiverenany miasa ireo mpitatitra solika matihanina anatin'ny APTH... ♦ Tsy hihoatry ny 10% ny tahan'ny fiakaran'ny vidim-piainana eto Madagasikara amin'ity taona ity, raha ny tomban'ny INSTAT. Hiverina ho marin-toerana ny vidim-piainana amin'ny volana jolay hoy ny vinan'ity ivon-toerana ity... ♦ Nisehoana fipoahana goavam-be tao Mahajanga omaly antoandro. Fipoahana vokatry ny fahamaizana fiara 12isa, niatomboka tamin'ny firehetan'ny fiara "citerne" mpitondra solika tao amin'ny garazy Jovenna Antanimalandy...
Rehefa ampy fahalalana amin'ny fampisana ny fitaovam-pifandraisana dia mitombo ihany koa ny fahalalana, mirindra ny fiainana ao an-trano. Mivelatra ny fifandraisana amin'ny fiaraha-monina, mitombo ny fahalalana ny zava-misy toy ny fahalalam-baovao. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belo, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco