♦ Mitaky ny hanaovana "audit" ao amin'ny CENI ny FMI-Malagasy. Tokony mitondra fanazavàna antsipirihany momba ny hampiasàna ilay teti-bola 145 miliara Ariary hikarakaràna fifidianana ity Vaomiera ity, hoy Andriamatoa Jean Jacques Ratsietison... ♦ Mangata-bavaka amin'ny rehetra ny FFKM hampahomby ireo dingana samihafa ataony, manoloana ny toe-draharaham-pirenena. Hizara telo izany dingana izany, izay hosantarina eny Ilafy amin'ity herinandro ity... ♦ Miantso vonjy maika amin'ny fitondram-panjakàna ny fikambanan'ireo mpitatitra entana amin'ny fiara vaventy. Marary ity seha-pihariana ity eto Madagasikara, ka mila hitadiavana vahaolana, hoy izy ireo...
Ny pôlitika dia mikatsaka ny soa iombonana ary manome lanja ny fahamendrehan'ny olombelona sy ny zava-boahary. Olana avy amin'ny mpanao pôlitika ny fampiasana fahefana mandingana ny fetra nandaharan'Andriamanitra izany hoe mizaho zaho, tsy mahita ny fahantran'ny hafa. Mihevi-tena ho tsy refesi-mandidy ka manao didikofehy lehibe, mitsijinjo ny madinika. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Alatsinainy 27 marsa 2023 — Herinandro fahadimy amin'ny Karemy — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho; satria hatsaram-po no ao amin’ny Tompo, ary fanavotana lehibe — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 8, 1-11)
Ny fahefana dia fanompoana : fanompoana an'Andriamanitra sy ny namana. Ny fahefana amin'ny Eglizy dia fanasoavana ny vahoaka. Ny pôlitika dia mitaky finiavana sy hitsim-po ary fahamarinana, tsy maintsy mikendry ny soa iombonana. Manoloana ireo adidy sy andraikitra dia ilaina ny fahasoavan'Andriamanitra. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco